Tia Sahady (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia Sahady

... Ilay minitra dimy
Nifankahafantarantsika
No nitondra ny ahiahiko
Fa misy tsiky tiako ;
Tsiky iray sariaka
Mambabo ny fanahiko.

Kintana alin-kisa,
Ny ravaky ny lanitra
Voakaly an'hoso-doko ;
Kisary paradisa,
Tontolo tsara rafitra
... Zay hitako anoloako.


Tsy niandry ela akory,
Tsy mba nanadihady,
Tsy nisy hifandaharana !
Dia maika erý hitory
Fa tia anao sahady,
Tia anao mangarana !

Fa fitia efa nifarana ...

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1301 1
Mpakafy: cialaurie
Hevitra mandeha
Malalason ( 09/07/2007 13:55)
na dia efa nifarana aza dia hitako ho nisy maminy, ....
m'lay e!
cialaurie ( 10/07/2007 06:11)
izany le zvt tsy anenenana
nixmada ( 07/08/2007 12:34)
tsara, marina tokoa zany
piste ( 04/09/2007 03:37)
Raharaha marina izy ity
pissoa ( 06/09/2007 16:50)
Hi hi hi !

Misaotra ny mpamaky.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 05/07/2007 23:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313