You are here: home > Vetso

Tiako ny Teniko - Pissoa

Azo vakiana?

Tiako ny Teniko ...
Ilay nianarako nibada,
Sy nahaizako niteny;
Ilay fihantako amin'i Dada
Sy fidongiako amin'i Neny.

Tiako ny teniko ...
Ilay nitoriana tamiko
Fitiavana mafonja
Ilay hoe "tsy te hisaraka amiko
Na dia iray minitra monja ..."

Tiako ny teniko ...
Fa hatramin'ny fahazazako
Ary mandra-pahafatiko
Dia mikoriana toy ny rako,
Ary velona ato anatiko.

Pissoa

Sokajy : Kolontsaina

Hevitra mandeha

raozigasy (23/03/2006 23:22:06)

itovizako aminao
izany fitiavana izany
k'hotiaviko hotiavinao
ilay tenindrazantsika mamy

izany ange no nanoratako
ary indrindra nanandratako
ilay tenintsika malagasy
ho tononkalo : "Teny Gasy"

raozigasy (23/03/2006 23:26:12)

Tiako ianao ry teniko
Tiako ka teneniko
Tsy hatakaloko hafa
Fa entiko mitafa

(tovana adino io nampiako io fa tsy mety ahitsy intsony ilay efa voasoratra ; any amin'ny faram-parany amin'ny tononkalon-draozy no misy azy ry Pissoa a )

jentilisa (13/09/2006 09:50:34)

hay ve mahay manoratra teny gasy tsara ity Pissoa ity e!

pissoa (13/09/2006 20:34:34)

Mahay manoratra aho ... fa mandiso koa ka.

Misaotra nitsidika.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 27/02/2006
Mpamangy : 1547
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko
Izy iny