Tsisy tandroka - Pissoa
Azo vakiana?
Angamba kosa tsy ho ditrako
Raha izaho no sahy hijoro,
Sy hitsangana ho fahavalo.
Tsy izay no tena sitrako,
Fa ialahy mampihorohoro,
Ka izaho koa tsy himalo.
Ry ilay tokony ho modely,
Ilay tena ray niteraka
Rehefa iny isika tafavory;
Hay hatramin'i bavy kely
No tsy nahaizana nipetraka
Fa noterena iaraha-matory:
Tsy nampoiziko ho toy izao,
Ny tena toetranao r'ingahy;
Feno fitaka sy sandoka.
Lehilahy mpanao ny tsy fanao,
Tena devoly sahisahy
Saingy tsy mba nisy tandroka.
Raha ny tena tato am-poko,
... Dia natsatoko ny antsy
Ho vita hatreo ny amin'ialahy.
Fa "Ho aiza i Neny?" no tsaroako
Raha izaho ho am-ponja mandra-maty,
Ialahy ho ambany rangolahy?
Ry dada tsisy tandroka ...
Pissoa
Hevitra mandeha
hery (11/05/2006 21:22:06)
Antsoantsoy mihitsy ny tranga toa izany. MAtetika any Afrika dia autoritaire loatra ny lehilahy, ny ray, ka na mi-abuser ny zanany vavy aza dia tsy misy mahasahy mitory.
Soa fa nisy tononkalo.
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 09/05/2006
Mpamangy : 1311
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Izy ilay DadaSahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro