Tsy Tiako hono (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tiako hono

Tsy tiako hoy aho ianao !
Fa vao hitanao maloka
Ny endriko mazàna
Dia iny ianao tsy tana,
Tsy mety fa mikaroka
Ny hampitsiky hatrany !
... Izaho te hitomany.

Tsy tiako koa ianao,
Fa minitra vitsy ihany
No avelanao hitoetra
Ny embona sy tsetran'
Ity lavitra akany ;
Lavitra ny maro.
... Izaho mba te hahatsiaro.

Tsy tiako mihitsy ianao !
Fa na inona antenaina
Katsahina isan'andro ;
Angamba aza raha masoandro
No tadiaviko alaina,
Dia ho atolotra sahady !
... Izaho mba te hitady.

Nefa hatramin'izay
Tsy teto ianao hisangy,
Dia tontolo babangoana
Sy voaary toy ny moana
No tonga mba mamangy.
Dia hoy aho anatiko ao
... Sao tiako ihany ianao ?

Pissoa
--------
Rohy:
1462 1
Mpakafy: lanto
Hevitra mandeha
lanto ( 23/01/2007 10:41)
Tiako be pissoa :-)
pissoa ( 23/01/2007 18:06)
Mankasitraka ;)
raozigasy ( 17/02/2007 16:21)
tsy tiako hono ianao
ao am-bavako ao
fa ao am-poko kosa
sitraka miavosa
tynah ( 23/02/2007 20:12)
m'sotra pissoa! tsara be!!!
pissoa ( 27/02/2007 20:27)
raozy : hihihi ! angamba ...

mankasitraka tynah !
Mariano ( 30/03/2007 07:16)
Tsara be Pissoa a, mankasitraka hatrany
pissoa ( 04/04/2007 18:20)
Hi Mariano !
Mankasitraka ny mpitsidika ;)
harisanda ( 06/09/2007 09:04)
tiako tsy tiako
nefa be ny ... faniriako
ny hoe anilanao!

Fenotsoa
winner ( 02/10/2007 20:50)
Tena marina le hoe matsiro ny sakafo raha misy sakay kely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 13/01/2007 21:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151