Hanadino aho ve? (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka aho ny hamafa
Ireo lasatsika hatrizay
Lasa zay, niafina tamin'ireo hafa
Tantara miafina ho anao sy ho ahy.

Eny sarotra ny hamoy
Ireo fahatsiarovana tena mamy
Saingy hiriko mba tsy hitohy
Ndrao hanody, hampitomany.

Mamiko ery ireo ditraditra
Ireo fihetsika kely rehefa mihaona
Hakafizitsika na dia iray minitra
Ireo oroka kely, toa satry foana.

Hiezaka aho ny hanadino
Ireo lasatsika nankafiziko
Ho ataoko izany na dia tsy fidiko
Hiezahako na sarotra aza ny hino.
--------
Rohy:
422 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 18/01/2022 07:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139