Ny Fiainako (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ady ny ahy ny fiainana
Toy izany, isan'andro,isan'andro.
Zaho tsy mba manana hitaranaina
Tsy hariva, tsy maraina, tsy atoandro.

Ao ireo ratsy, sy mpisompatra
Mikatsaka ny handrava izay nahoriko.
Ny heveriko ho akaiky ahy manampy trotraka.
Mampitombo ny zioga eo an-tsoriko.

Latsa sy Ompa miraradraka
Izay fitalahoako very maina.
Ny ranomasoko mipatrapatraka
Ny ratram-poko tsy hay lazaina.

Ny endrikendrika sy hosopotaka
Zakaiko avokoa na dia tena mafy
Fa ny sentoko mangina tsy mipoasaka,
No aoka hitsara atsy ho atsy.

Fa toy ny zava-mitranga rehetra,
Mino aho, fa izao rehetra izao dia mbola hifarana.
Ka ny fahoriako dia hana-petra,
Ary izaho hisy hanolo-tanana.

Zay no andro iray mba handrandraiko.
Mba ho fotoana tena sarobidy
Andro iray mba hantenaiko
Hifaliana hanadinoako ireo mafy sy mangidy.

Ra-Aina
1 Feb 2018
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
597 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142