Ry androko lasa, nivalok' (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry androko lasa, nivalok'ho tantara
Manainga ny tsiahy tsy mba mety hadinoana.
Nandaminako ity ho avy, mba ho tsara fihafara.
Niandrandrako fifaliana, mba ho tsaroana.

Tsy izaho anefa, no tompon'ny teny farany.
Tsy izaho ihany koa, no mandidy sy manapaka.
Ity ho avy tsy ho haiko, izay mety ho sarany.
Izay hiriako hamiratra, sy hiorim-paka.

Ry androko, ianao zay efa lasa
Nandaniako fotoana, namitako laha-asa.
Asa re rahoviana no mba hioty.
Ka mba ho tena ho faly, fa tsy hanonofy.

Ry androko lasa, nitondrako alahelo!
Namela fery tao an-tratra, tsy sitra-panafody.
Dia izaho ilay nitalao sy nifendrofendro.
Voalatsalatsa sy voahantso tody.

Ry androko lasa, izay tsy hiverenako intsony.
Ho fafako ianao,ny saiko hitony.
Ireo nentinao, ho apetrako tsara.
Mba ho tsiaro, ny dimby sy fara.
--------
Rohy:
303 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 18/01/2022 07:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098