Ry zanako, (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry zanako,
No hanirahako ity tanako
Hanoratra sy hitanisa
Ireo ventso ho anao analin-kisa

Ry zanako malalako, sy tiako
Ho maro ny momba ahy ho fantatrao
Na ny fifaliako na ny fihafiako
Tsy ho ela, dia tsy hiafina aminao.

Lasa lavitra ny saiko
Mieritreritra izay ho avy ho anao.
Toa manahy aho sombon'ny aiko
Kanefa tsy haiko izay ho atao.

Satria ity tontolo ity anaka.
Dia toa miha-ratsy fa tsy miha-tsara
Ka mahatonga ahy ho lanaka.
Manahy ny ho tohin'ity tantara.

Fotoana fohy ihany tokoa mantsy
No tena ahafahatsika miaraka.
18 taona eo ho eo no vatsy.
Dia ho tafasaraka isika mianaka.

Izany no lalàn'ny tany.
Mpihindrana mantsy hono izahay.
Ka ho avy izany andro izany.
Ary ianao handao anay.

Amin'izay fotoana izay ry zanako.
Dia ho manina anao ireto tanako.
Izay torovana sy trotrak'ireo rotsirotsy.
Tsy andro tsy alina, ny torimasoko fotsy.

Ry zanako malalako,
Amin'izay fotoana izay.
Ianao dia ho tatanako.
Ary homeko ilay olona iray.

Ry zanako tsy foiko,
Tiako ho fantatrao ny ato an-poko
Izay feno vavaka ho anao.
Mba ho ambinina amin'izay ho atao.

Amin'izay fotoana izay
Ireo masoko roa ho kotsa
Kanefa aza manahy.
Fa izany dia ho tso-drano hihavosa.

Ry zanako, mamiko indrindra
Ity no ventso-drainao tena tia.
Dia ianao, ahahay hamindra.
Sy hiroborobo, amin'ity fiainana ity.

Ra-Aina
13 April 2019
--------
Rohy:
397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144