You are here: home > Vetso

Tsiaro an'i Neny - Ra-Aina

Azo vakiana?

Gina aho ity, tsy mahaloa-peo
Mifendro tsy maha-toreo
Hatrizay aho toa tsapako nahery
Kanefa anio, toa mararim-pery

Tokoa ve izao?
Tena tsy eo intsony marina i Neny
Kanefa anio dia fetiny
Indrisy, izy efa natelin'ny aretiny

Tsiaro sisa mitamberina
Raha mba teo mantsy ianao?
Dia ho feno izato banga
Izaho handre ilay feo manga

Dia ho niara nihira isika
Tahaka izay efa fanao
Ka ireo vazo izay ho niraina
Dia ho anao, ilay nipohiran'ny Aina

Saingy ianao dia efa lasan
Tsy tazana, natelin'ny fasana
Nofo nody vovoka ho tany
Lasana any ankoatra any

Ra-Aina
6/06/2020 8:55PM
Feo: 11/07/2020 8:48PM