Injany fa reko, manindron - Ra-Aina
Injany fa reko, manindrona anaty
Toa tsilo mandratra, mandoaka tsy tanty
Ity fitivako adala, fitia tsy hay no ferena
Fitia hangalarina, midongy toerana
Toa tsy ho tantin'ny saiko ny ho lavitra anao
Mankarary ny aiko, ny tsy mandreha ny feonao
Satria aho efa adala, jamban'ilay fitia
Ka ilay fiarahantsika, no hiriko ho doria
Saingy efa fantatro, ary koa fantatrao
Ilay hantsana lalina izay hampisaraka,
Kanefa ity foko mikiry, tsy mety ho lao
Maniry sy miady ho anjaranao
Heritreritra angidina, fisainana adala
Ny an'ity foko izay tsy haiko hoe ahoana
Maniry anao foana, mba ho malala
Kanefa ity izy, toa fitiavana moana
Indrisy ry tany, fa dia nahoana
No izaho izy no tafahoana
Izaho aho tia azy, izy anefa tsy ho ahy
Ka ilay foko kely nanjary nangahiahy
Asa re, raha mba ho faty ihany
Ity fitiavana velona, indray andro any
Toa tsy mino ny saiko, hoe izany no ho toa
Dia hitia tsy hiato ve, sa hamohy fo?
Ra-Aina
17 Jan 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Ra-Aina

Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 17/01/2022
Mpamangy : 145
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny FiainakoMba aiza re?
Hafahafa ilay Fitia!
Ry androko lasa, nivalok'
Hanadino aho ve?
Ry zanako,
Hembona
Olombelona aho
Tsy afaka
Tsiaro an'i Neny