Mba aiza re? (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza no misy anao
Ry ilay fahasambarana katsahiko?
Fa ny saiko dia tsy mety ho lao
Mangetaheta anao ny fanahiko.

Rahoviana re ianao no mba handalo
Hitsidika kely fotsiny ity foko
Hampitsiky ity hendriko malo
Hampitony ireo tomaniko sy toloko

Ry fahasambarako?
Mba any ihany va ianao zay?
Tsy hitodihako intsony ny lasako
Nitondrako ny mahamay.

Efa nihainako avokoa
Ireo karazam-pijaliana rehetra
Izay nampahory ity foko tokoa
Kanefa aho tsy nisy mpitsetra.

Ry fahasambarako
Raha toa ianao ka ho avy ihany
Dia mba hilazao mialoha
Hanatsaharako ireo tomany.

Amin'izay fotoana izay mantsy
No angamba ho tony ireto fery
Izay maharary toa tsatok'antsy
Hatrin'ny ela nozakaiko irery.

Ra-Aina
--------
Rohy:
478 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 18/01/2022 07:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148