Teboka (Rabarison Roberto Stephan)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teboka

Teboka fa tsy tsoraka!
Ilay tantara efa vita,
Ka niakatra ny soratra
Fa rava ny amintsika

Teboka famaranana
Satry tsy hitoy intsony
Fa sendran'ny sapanana
Ka aleo ny fo hitony

Tsy hoe: teboka telo sanatria
Fa teboka tokana ihany
Rehefa rava ihany ilay fitia
Dia miangavy aho, aleo hivalona any

Ka veloma aza manahy
Fa izaho tsy tia intsony
Ka ho faranako amin'ny teboka mba...
Tsy hitoy intsony...
Ka veloma.

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
613 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rabarison Roberto Stephan
Inséré par : Roberto2001
Date : 26/04/2024 08:35
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124