Tena Tia (Rabarison Roberto Stephan)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala o !

Na marary ary aho
Dia ny foko tia anao
Tsy anio ihany anefa izany
Eny tiako ianao ,
hatrany am-parany any

Malala a!

Mba renao ve ny foko mitepo
Toa tsy mety tony fa tena reko
Hoe tia anao aho, tena diso tia
Ka hiaraka aminao aho,
eny ho doria

Malala ho'aho !

Mba fantatrao ve fa ianao tena tiako
Ka mandrakizay ianao tsy ho ariako
Fa ho tiaviko foana ato anaty
Hiaretako avokoa ny mangidy,
izay tsy tanty

Malala kosa e !

Izaho anie tena tia eh...
Ka aza avela irery fa tsy mahatokan-dia
Fa te ho tantananao foana
Eny mandra-pahatapitry ny fotoana

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
261 0
Hevitra mandeha
Roberto2001 ( 10/06/2024 18:38)
Misaotra an'i Ikalamako tamin'ilay antsa tonokalo fa mafinaritra be
ikalamako ( 10/06/2024 20:48)
am-pifaliana foana e. Afaka mihitsy ny andro mamaky ny aingam-panahinareo maro be ao fa mankasitraka indrindra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 28/02/2024 08:41
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192