You are here: home > Vetso

ALAHELOVY - Rado

Azo vakiana?

                    

Alahelovy aho akia rehefa malomaloka andro!
Tsisy antony hoe ahoana fa dia alahelovy fotsiny
Dia angalaro jery kely any anaty boky any
,lay sariko nafeninao...Dia mitsera kely monja!

Mba tonony akia ny anarako isaky ny mahatsiaro
Indrindra moa fa misy hafa te hangalatra ny toerako
Aza asiana feo anefa fa tonony am-po mangina
Hankahery ilay fitia tsy ho folaky ny sedra

Izany mantsy no fanaoko refhefa malahelo anao
Ary satriko ho izany no hifanahafantsika
Iriko mihoatra izany aza hisy hitatitra amiko hoe:
"Nalehelo ahy nianao, efa ho hateloana izay!"

                                                                  RADO

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

soamaeva (27/11/2011 17:45:17)

"Indrindra moa fa misy hafa te hangalatra ny toerako" tena vao maika mapanembona ahy an'ilay olontiko izay tena lavitra ahy ity tononkalo ity

nandalo (28/11/2011 00:19:38)

Mahereza, ary aza manahy fa tsy misy dikany ny fotoana sy ny elanelana, raha toa ka samy tena tia ianareo.

soamaeva (28/11/2011 22:24:54)

Misaotra @ fampaherezana, izaho aloha dia tena tia ary izy koa tsapako fa tena tia ana eh! Misaotra anao mankahery.

intime (21/12/2011 12:49:23)

"Izany mantsy no fanaoko rehefa malaelo anao"!

soamaeva (21/12/2011 17:19:07)

"Mba tonony akia ny anarako isaky ny mahatsiaro
Indrindra moa fa misy hafa te-hangalatra ny toerako"

sitrakadera.ds (14/11/2018 16:07:11)

Iriko mihoatra izany aza hisy hitatitra amiko hoe:
"Nalehelo ahy nianao, efa ho hateloana izay!"

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : nandalo
Daty : 27/10/2009
Mpamangy : 11959
Mankafy : 5

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA