Ambangovangony (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba lazao ambangovangony, iangaviako indrindra ianao !
'Reo taratasiko fahiny...
very, hono, sa voaangony, amin'izao fotoana izao ?

Mba lazao ambangovangony, sao sendra mba tadidinao
Ny endriny ankehitriny,
ny bikabika sy fiakanjony, tsy miova sa dia nihavao ?

Mba lazao ambangovangony, raha toa ka nolazainy anao
Iza izao no miaraka aminy ?
Tiany, hono, sa dia hambony, sa fitia randram-bao ?

Mba lazao ambangovangony, raha niresaka ianareo
Ny hirahirako mba maminy,
moa natsatso ve ny langony, sa mbola eo am-bavany eo ?

1988
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
6108 5
Hevitra mandeha
lapino ( 12/12/2005 02:38)
Efa sambatra hono izy, raha vao niala taminao
Dia nahita olon-kafa,
Namany fony ankizy, mbola niara-nilalao.

Efa sambatra hono izy, efa hadinony daholo
Izay nataony ho voafafa,
Ka sondriana izaitsizy mankafy ny tontolo.

Efa sambatra hono izy, satria efa voafohany
Avy tao anatiny ao
Tafavoaka ny krizy ilay fitiavany voalohany

Efa sambatra hono izy, foana tsy nisy intsony
Ireo vazovazonao,
Ka mionona izato izy, fa veloma hoy ny fony!

hihihi ;)
fhaniry ( 23/11/2011 07:51)
tsara le voasoratra eo ambony fa tena nahay kou le namaly tato ambany.
saotra e!!!!
Vonjisoa-Andjanirina ( 30/11/2019 11:32)
Tiako be, ho ela velona anie ny anaran'i RADO
hery ( 01/12/2019 20:54)
Kanto marina tokoa ilay valiny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : rajaona
Daty : 13/11/2003 19:43
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146