Asa foana - Rado
Tiako holalovana, nefa iviliako
Tiako hitsikiana, kanefa tsy sahiko
Tsy fantatro akory, kanefa itsikiako
Tiako harovana, nefa tsy ahiko.
Tsy fantatro anarana fa amoronako
Tsy nisy mpanery fa tonga safidiko
Rano tsy fantatro, nefa nilomako
Mbola tsy hitako, nefa tadidiko.
Efa nidify vao lasa ho nofiko
Efa any ho any vao tiako hiarahana
Tsy mifanatrika vao notohofiko
Efa tsy hita vao tiako hiresahana.
Asa foana 'ty mahazo ahy
Izay tiako hambara tsy hain'ny vavako
Toa falifaly aho no sady manahy
Hay vaky felana teo ny fitiavako !
23 desambra 1983
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
Vonjisoa-Andjanirina (31/01/2020 10:54:10)
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : rajaona
Daty : 13/11/2003
Mpamangy : 6162
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba