AZA MANADALA SAINA - Rado
AZA MANADALA SAINA
Aza manadala saina
Ka haniriniry volana eny an-tendron-danitra avo,
sao dia ho ory sy mangaina
raha hilaozany midila 'zany fonao ravoravo.
Ataovy ampy ho fifaliana
Rehefa namindrany tsiky ny efitrao tandrifin-dalany,
sao mararim-pijaliana
raha mamita-tena foana, ho hany tiany sy malalany.
Volana mpamitaka iny,
f'efa maro ny kamory no nirakitra ny sariny,
kinanjo teo dia nidifiany
ka alon-dranomaso sisa no lanjain'ny fo marariny.
Rado
Hevitra mandeha
andry 1000 (28/04/2015 05:48:21)
tena marina mihintsy ity tononkalo ity kah!! io zao dia bandy mety ho diso fanantenana lalovany sipa manja sy tsara, de nodifiany avy eo.................
Volana mpamitaka iny,
f'efa maro ny kamory no nirakitra ny sariny,
kinanjo teo dia nidifiany
ka alon-dranomaso sisa no lanjain'ny fo marariny.