Azonao - Rado
Azonao takina
hiverina aminao
'reo sarinao, ry tiana
... raha izay no sitrakao ...
Tsy vatra hotazoniko,
raha toa tadiavinao,
na efa nokoboniko,
'reo taratasinao ...
Azonao alaina
azonao robaina
ny mamiko rehetra
Saingy ilay fitiavako
nomeko anao, rahavako,
Io no aoka hitoetra !
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
lloyd (07/08/2007 13:22:40)
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003
Mpamangy : 7261
Mankafy : 8
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba