DADA (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADA

Dada a!
Jambam-pahazarana izao tontolo izao
ka diso fahalala ny maha-ianao anao,
ianao mitady vola ho an'ny tokantrano
sy lehilahy masiaka ka mampahita angano
sy mampipitrapitra
ny zanaka maditra
no maro mpahalala
ry Dadako malala,...
...Anefa tsy tsaroany fa ianao no hery
sy aro-tahotray, lasa ianao mijery
ny hidin-tranontsika
sao misy manapika
vao lasana matory... Raha ao ianao mijoro
mitantana anay dia foana ny horohoro,
matoky lalandava
fa mbola ao i Dada!
Fa ankoatr'izany, sakaiza koa ianao
miara-mikorana, miara-milalao.
Atao soavalivaly
dia revo sady faly
mijaiko dia mifindra,
kanefa eo indrindra
no araraotinao hazera koa izahay
hisetra maharary sy asa mahamay,
satria tsy fifaliana
sy zava-mahaliana,
ihany ny fiainana
fa misy fanaintainana!...
Rehefa hitanay, sahirana iny ianao
tsy ampiampy vola, kanefa dia izao,
avadikao ny tafa
hiova zavatra hafa
hoy ianao hoe: "Ampianariko hira
'zay mahalany vary, kanefa laoka sira!"
...Dia adinontsika
ary miova dika
hanjary mahafaly
'lay lala-mampijaly.

Tsaroako, tsara, koa alohan'ny hatoriana
ambaranao anay ny zava-mahaliana
tsara ho fantatray eto an-tanindrazana
mba hahatonga any tsy ho mpitazatazana
fa handray adidy
sy asa sarobidy
hanasoava azy, satria mazava tsara
'lay soratra napetrakao ao an-dalatsara
izay milaza hoe: "Ny zaza tia reny
dia izay miasa tsara ho an'ny fireneny!"

Misaotra anao ry Dada!!

Rado
--------
Rohy:
25692 11
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 28/04/2015 05:36)
tena hafa mihintsy i Dada ka, nisaotra an'i HJRAVS nampiditra ity sangan'asa ity!
malala_randriamahefa ( 25/08/2015 18:06)
Tsara ilay sangan'asa!
Dada...Ilay olona iray tena tia ahy eto antany! Misaotra
Hayntsoa Narovana Ammy ( 08/04/2017 16:26)
tena ahatsiarovako ny dadako ito tononkalo Rado ito
anithambelomalala ( 12/12/2017 11:19)
dada malala,tena nikarakara,hafa ihany ianao ry dada,misaotra anao!!!!
AZTECA ( 29/04/2022 12:54)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : hjravs
Daty : 18/04/2015 06:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1576