Efa atao ny famotorana (Rado)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.

Io ny lapan'ny tanàna, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re: efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi-dalana nizorana,
fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.

Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re: efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re: efa tao ny famotorana.

Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!

Raha izany àry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!
--------
Rohy:
10456 9
Hevitra mandeha
dahalokely ( 26/03/2008 09:34)
Marina ny voalazany atao ny famotorana sa efa dossier classé daholo reny eh. Iza anefa no hokianina amin'izany ..... tsy haiko aloha
dahalokely ( 26/03/2008 09:43)
Marina ny voalazany atao ny famotorana sa efa dossier classé daholo reny eh. Iza anefa no hokianina amin'izany ..... tsy haiko aloha
rijadolly ( 13/11/2011 19:21)
Raha izany àry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!

Soa fa efa nampitandrina Rado marina, hihihihihi fa raha tsy izany efa may tao ohatry ny RNM io. Ary Mpaminany ihany Rado a!
mahatsanga ( 13/02/2015 14:17)
Misaotra an ny rado. Efa natao ny famotorana hatramin izay ary mbola tsisy vita fa mitombo isa andro sy alina. Bois de rose. Fanitsakitsahana lalampanorenana. Dahalo niova fo..., efa atao ny famotorana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ledada
Daty : 26/10/2006 08:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159