You are here: home > Vetso

Eritreritra - Rado

Ny eritreritsika ihany no alefaso hifanandrify
dia ho maito izato gadra mampisaraka ny dia.
Ny alahelontsika koa, aoka indrindra hifanitsy
dia ho foana ny elanelan-tsesitanin'ny fitia.

Fa ny tady dia ho maito tsy hangeja ny fisainako
Raha manojo anao hatrany irony eritreri-mamiko.
Fa ny fonja koa akory tsy hanempotra ny fiainako
Raha miako aty am-poko ny alahelonao mankamiko.

                                                   2 Mey 1993

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : rajaona
Daty : 13/11/2003
Mpamangy : 5238
Mankafy : 2
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO

Hametraka hevitra

Midira aloha