Etsy matoria (Rado)

Nantsain'i Rado
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka!
Etsy àry,matoria,ka dia manofisa mamy
ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
Idada ity mandrotsirotsy, fa Ineny efa trotraka
nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
noho ny haben'ny havizanany...
ka savolaina be ny tanany

Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
...Isaorako aza Andriamanitra,raha tsy fantatrao akory
izay alehan'ny fisainako,
na izay adin'ny fiainako
feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
efa an-taona maro izao!

...Soa fa niafina aminao ,
izany izaho mifoha maraina
mieritreritra ao an-tsaina
sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
ho sakafontsika anio,na dia hoe indray mahandro...
...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
notrosaiko tato atsimo...
Nisy ihany mantsy vola
teo am-pelatanantsika,
nokendrena tsy hipika,
nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
raha misy dia hatao
akanjo anatiny ho anao
fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!

... Nefa,etsy, matoria,
fa hadalana ny an'Idada, resak'olona efa lanaka
ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
...Ts'hita moa,ry sombinaiko,
f'efa miady be nysaiko!
Rahampitso fotsiny aza : hifindra trano ny ato avaratra
ka izaho no hokaramainy... Mety ho vitan'io ny karatra!
Kanjo reko indray izao, fa ny lalana hosakanana
rahampitso vao maraina...
Hisy mantsy fitokanana
ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
dia havily avokoa fa handalo ireo lehibe...
Ary izay 'lay mahavoa
sady mahavaky fo
ny mpitrongy tahaka anay ...
Fa toa maro ny hetraketraka
tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
Nefa, etsy, matoria...
Mikimpia dia mikimpia...
Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
...Miondàna, sombinaina
eto am-poko be taraina

RADO(1969)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
14242 12
Hevitra mandeha
ropera ( 31/07/2013 09:48)
Matoria sombiniako , dia manofisa mamy ,...
andriamampionona02 ( 19/02/2019 10:28)
izany ka tonokalo tena mipaka ato antsaina ny tian ny mpanoratra ambara
andriamampionona02 ( 19/02/2019 10:28)
izany ka tonokalo tena mipaka ato antsaina ny tian ny mpanoratra ambara
mikaloofficiel ( 10/04/2020 11:43)
Anaka!...
Iharilanto ( 22/07/2023 11:43)
Tsara be lay hafatra, fitiavanjanaka, fitiavambady
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : harilax
Daty : 15/07/2009 08:29
Antsantononkalo
Nantsain'i Rado
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154