You are here: home > Vetso

Fahatsiarovana - Rado

Lainga raha hisy izay fanadinoina
Handrakotra ny androm-pitiako voankaso
Tsy zaza matory io ka safosafoina
Dia mety ho rendrik'izay torimaso

Fa na hianavaratra na hianatsimo,
ny tsiaron'ny foko tsy ho lefin'izany
Totofana foana kanefa tsy adino
Akimpy ny maso fa hita ao ihany

Hitsonika ihany ny bika aman'endrika
Rehefa tanehan'ny andro sy taona
Fa ny fahatsiarovako anao tsy ho rendrika
R'ilay notiaviko indray lohataona!

Sokajy : Fahatsiarovana

Hevitra mandeha

intime (22/12/2011 05:02:55)

Ny fitiavana dia tsy mba maty fa matory!

dahfara (06/06/2013 18:34:24)

marina izany !

miakif2 (02/05/2015 17:31:20)

Marina izany

Itiavina (26/10/2015 04:53:01)

Marina ny voalazan' ny mpanoratra

lcrakotoarivelo (23/09/2016 10:32:03)

Iza no sahy hilaza fa tsy mbola niaina an'izany...fa vitsy ny olona nahavita namoaka azy amin'ny alalan'ny teny nefa mahafehy tanteraka an'ilay vetsom-po...

ambinintsoanafindra (03/01/2020 05:59:19)

Mametraka ny maha sangany azy ny mpanoratra ary hita ihany ny hakanton'ny aingampanahy taloha.

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : intime
Daty : 21/12/2011
Mpamangy : 21274
Mankafy : 14

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA