Iny - Rado
Sambatra iny làlana iny, lalovanao marain-tsy hariva !
Ary angamba noho izany
no hanirian'ny voninkazo
tsy mitsahatra mamony
eny an-tsisintsisiny eny !
Hoy aho miteny irery :
Mba izaho aza no lalovanao marain-tsy hariva !
Sambatra iny efitra iny, onenanao mandavan-taona !
ka mahafantatra avokoa
ny tsiambaratelonao ...
Ary mahatamana anao
toy ny zaza izay tamana
am-pofoan'ny renibeny
Mba ny foko, aza no onenanao mandavan-taona !
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
mialiii (04/06/2022 07:17:43)
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003
Mpamangy : 9812
Mankafy : 8
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba