Matoa (Rado)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa e! manonja 'ty moron'ny rano
Dia nisy ny rivo-nitsoka azy tao
Matoa koa ny masoko manganohano
Tsy hafa fa tena alaheloko anao !

Matoa e! mijojo sy avy ny orana
Dia efa nandrahona izy io anikeo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te-ho eny akaikinareo

Matoa misy kalo mandresy ny akora
d'izany no hira manala toloko.
Matoa koa ny masoko akimpiko mora
Dia maika hibanjina anao ao am-poko.


(Ambila 20-09-65)
--------
Rohy:
7477 10
Hevitra mandeha
kinaoly ( 24/12/2003 23:11)
teny tsotra sy fampiasa isan'andro no nampiasain'i rado ao anatin'ity tonokalo ity nefa toa vao maika manakanto ny hevitra fonosiny izany.
Kiala.andria ( 27/12/2017 04:50)
mankasitraka ho an'ilay nampiditra e!! io mintsy ilay tononkalo noventsoiko ka nahababoako ny fon'ilay olon-tiko....
#dafa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 05/10/2003 16:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155