MENA - Rado
MENA
Mimenam-boarohihazo akaiky fahavaratra
ireo molotrao homehy,
sitraky ny fo, fa mitahiry taratra
sy hatsaran-tarehy,
monina ao anaty!
Mena tsy lokoina, misarisary zoro
ny tanintsika ange,
Mena toy ny ran'ny aina torotoron'
ny fikomiana Mey,
tadidy mandramaty!
RADO (Mey 1972)
Sokajy :
Fitiavana, Tanindrazana