Noho ny zanako (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho no mikarama tsy mahalala sasatra
fa feno fitozoana, entanim-pikirizana,
Dia tsy fitiavan-tena
hangorona harena
sy vola be am-bata haderadera ny ory
Tsy izany mihitsy akory !
Tsy izany velively no betsaka ao an-tsaiko
fa ny fitsinjovana anao, ry sombinaiko,
ho tonga olon-tsoa sy malagasy vanona
ho saonjo mihoatra akondro, handroso tsy ankijanona !
Ka izay kely nisy teo am-pelan-tanako:
tsy entiko mankaiza fa hanasoa ny zanako.
Dia ny hisondrotany
ary ny hiavotany
hihoatra sy handingana izay mba kely vitako,
hisongona izay hitako,
ho tonga olomanga, ho sangam-pirenena
tiat anindrazana no feno fahendrena
any aoriana any...
Koa rehefa tonga izany:
'ty tanintsika ity ho fararanon' olona
vanona sy hendry no kanto famololona.
Dia tonga maivana amiko ny miari-tory
Ny hasasarako aza tsy reko kely akory
Koa hahagaga ve izay kely mba ananako
raha lany manontolo mba hahasoa ny zanako ?

RADO
02 Jolay 1983
--------
Rohy:
10367 4
Hevitra mandeha
AZTECA ( 29/04/2022 12:49)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : hery
Daty : 15/02/2021 21:39
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151