You are here: home > Vetso

NY AMBINY - Rado

Azo vakiana?

Ny ambin'ny fitiavana nentinao nitia
'lay notiavinao
raha toa ka tsy ilainy
dia iangaviako indrindra
asaivo mba ekeny hatolotrao ho ahiko

Fa mafy annie izany maniry hotiavinao
kanefa tsy mahazo topimaso akory
raha hoe lalovanao!

Iny ambiny iny...
iny momja ihany
dia ampy mba ho ahy
hiainako ny fiainako...
ny mihoatra moa tsy ferana!

Misaotra azy indrindra!
                                                                                                RADO
                                                                                                20-09-59

Hevitra mandeha

Mionitra (25/02/2010 08:34:56)

mampiseho fihetsem-po manoloana ny olo-tiana izay antanan'olon-kafa io tononkalo io

katiaa (05/03/2010 22:34:31)

kayy

Rojoukel (23/02/2011 15:54:48)

Henjana le Rado e ! tena lalina be le tononkalo a !

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : Mionitra
Daty : 25/02/2010
Mpamangy : 10802
Mankafy : 5

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA