Raha - Rado
Raha toa aho ka lasa
Tazony mangina
ho anao samirery
ny zavatra vita ...
ny zava-kinasa,
niaraha-nirina,
niaraha-nijery
raha sendra tafita
Araho tsy an-kiteny
'lay hira niangavy
ny fo tsy hanadino
natolotro anao.
Tenomy amin'ireny
ny lamban'ny ho avy
ka dia isampino
ho ravaka vao !
1965
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : Oully
Daty : 05/10/2003
Mpamangy : 6151
Mankafy : 7
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba