You are here: home > Vetso

Rehefa tia - Rado

Azo vakiana?

Rehefa tia ianao,
dia tiava fotsiny ihany,
f'aza mieritreritra ny hilaza izany akory
tehirizo anaty ilay eritreri-mamy
sao vaky fefiloha 'ty sisin'ny kamory

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Rojoukel (23/02/2011 15:57:49)

Mbola misy tohiny io Ledada.

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
Sao ny sarobidy no manjary very hasina
Hiverina impiry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra izato ranomasina ?

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo tsiro ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
"Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa"

Aingankalo (12/04/2011 08:04:05)

tena tiako io an!

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : ledada
Daty : 26/10/2006
Mpamangy : 8289
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA