Sambatra (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ianao fa nahay nanadino
Ny andro efa lasa navalon'ny taona
Sambatra ianao f'efa tonga tsy nino
ny zavatra nisy ary dia afa-tsaona !

Mahantra kosa ny foko ikotrehan'
ny fahatsiarovana mahavalalanina
Tsy mahay manadino ka rotidrotehin'
ny tambolombolom-pitia mahafanina

Fa taiza no lala-nalehanareo
no haingam-pamindra ny fanadinoana ?
Ny anay irony lasa toa vao aninkeo
Andrasan-ko faty vao mainka tsaroana.


1967
--------
Rohy:
9468 10
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 05/10/2003 16:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147