Tia (Rado)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao no sady halàko
fa mangidy koa no mamiko !
"fahavaloko", "Malalako"
Samy anaranao raha amiko.

Angolaiko hoe "fitiavako"
Na bantiko hoe "Mpamitaka"
Mifangaro eo am-bavako
ny hatezerana sy sitraka.

Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra !
Kelikely indray ... Misoko
ilay fitiavako mamikitra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
24930 15
Hevitra mandeha
kinaoly ( 15/12/2003 17:07)
fa maninona no tsy misy manome hevitra momba ny tonokalo isika?
mahafehy ny fihetanam-pon'ny olona iray miady amin'ny olotianyio tonokalo io.
Sara ( 25/02/2004 09:37)
raha ny hevitro aloha dia tena marina io, marina loatra, ohatry ny hoe natao ho an'ny olona mijaly @ ilay fitiavany, izany hoe misy zavatra mankarary fo ilay iray tena tia ilay izy, kanefa na dia izany aza dia tiany fona ilay olontiany na dia mampijaly azy aza indraindray.
asa raha miray hevitra amiko ianareo?
ikotofatsora ( 17/05/2004 23:06)
Ngamba t@ ity tononkalon'i Rado ity no nangalan'i Celine Dion tahaka @n'ilay hirany hoe "I hate you then I love You"
ari.malala ( 10/06/2004 09:11)
Dingana iray monja no manarsaraka ny fitiavana sy ny fankahalana. Fihetseham-po roa mitovy ireo, avy @ fitiavana no iavian'ny fankahalana.
chipie1 ( 24/11/2004 17:19)
marina mihintsy zany ry ari.malala
lapino ( 03/01/2006 19:21)
Toa mifandray amin'ilay hiran'i Céline Dion ity hoe "I hate you then I love you..." ♪♫♪
Poun ( 15/05/2006 08:15)
Lalina ny hevitra fonosiny,nefa kosa maneho ny tena fitiavana."tiako,tsy asiana hoe nahoana"hou Poopy zay
Fitiavana no namaranany azy;moa tsy tanteraka lay teny ao @ soratra masina hoe"Ny fitiavana manarona fahotana maro"."fa fitiavana mandrakizay no nitiavako anao ,ka izany no nampaharetako famindram-po t@nao".
alphanovember ( 08/09/2006 18:13)
io no tena tiko indrindra am tononkalon'i rado. nisy sipa zay no nanome ahy an'io, voalohany nahalalako an'io , nisy fossé be entre-nay tam zany. erreur de jeunesse nefa ny ahy ...taty aoriana fa hitako oe hay possible tsara
cooper ( 14/10/2007 19:45)
Ny fitiavana ange fahoriana sy fijaliana e! Tsy misy ny fitiavana raha tsy misy ny fahasambarana sy fifaliana, nefa ahoana moa no ahatsapàna fa sambatra sy faly isika raha tsy mijaly sy ory.
Imam3 ( 11/02/2015 14:25)
Mankafy dia tsy mahasoratra e. tsy misy azo kianina ny asa tanan'ny mpanoratra. hafa ihany i Rado raha mbola asa fanoratana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003 13:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162