Tia - Rado
Tiako ianao no sady halako
Fa mangidy koa no mamiko!
"Fahavaloko", "Malalako"
samy anaranao raha amiko.
Angolaiko hoe "fitiavako"
Na mbantiko hoe "Mpamitaka"
Mifangaro eo am-bavako
ny hatezerana sy sitraka.
Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra!
Kelikey indray...Misoko
ilay fitiavako mamikitra.
Rado (1966)
Hevitra mandeha
mimisou (11/12/2006 13:24:47)
tsara loatra io tononkalo io ,inoako fa izay rehatra tia olona dia efa samy nahatsapaizany avokoa
za19ra (19/06/2010 13:34:05)
Soarilala (22/06/2010 14:48:17)
Satria tokoa mantsy ny olona tena akaiky anao ihany no tena hamborahanao izay ao am-ponao ao;Tsy misy olona tonga lafatra; Ka raha misy zavatra mahafaly na mahasosotra anao amin'ny olona tianao dia lazainao tsy mihambahamba tsy misy fihatsaram-belatsihy. Izay no tena fitiavana.....
tiana2 (28/10/2014 07:09:59)
Siitraka (16/08/2015 14:19:31)
niainarado45 (23/03/2017 17:28:40)
Tiko be le tönönkalo ts ho faty anie ny asa soratr ar veluna mandrakizay
sendratiana (22/06/2018 03:42:49)
tiako, tiako, tiako ten tiaka ka ho vakiko ary tadidiko. tsara loatra
Mombamomba
Mpanoratra : Rado

Nampiditra : herinaivo
Daty : 10/12/2006
Mpamangy : 27051
Mankafy : 13
Tononkalo hafa
TSY VOASOLORy tenindrazako
MPANGALATRA
Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba