TOPIMASO (Rado)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Topimasonao nandeha tan-kisendrasendra angamba Ilay namaly ny ahy variana revo tamin'ny endrikao.
Nefa dia tsaroako loatra ho nahadala, nahajamba,
Nampisondrotra ny vidim-panombanako anao.
Dia natopinao indray fanindroany ny fijery
Sady nohalefahinao, novontosanao fanahy.
Ka nanonja hatrany am-poko ny akony maherihery
Fahiranon'ny fitia naharendridrendrika ahy.
Miha-mandevy hatrany hatrany ny hafanan'ny fo tanatiko
Tsara taniky ny topimasonao mivolon-danitra
Notsindriako tsy hihoatra, kanjo farany tsy tantiko
Tonga tsikin'ny fitia: fanjam-bony te ho hanitra.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana