Tsy maty (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lainga raha hisy izay fanadinoana
Handrakotra ny androm-pitiako voankaso!
Tsy zaza matory io, ka safosafoina
Dia mety ho rendrik'izay torimaso

Fa na hianavaratra na hianatsimo
Ny tsiaron'ny foko tsy lefin'izany
Totofana foana, kanefa tsy hadino
Akimpy ny maso, fa hita ao ihany.

Ny fahatsiarovana tsy azo tsaboina
Fa mamy-mangidy ao anatin'ny fo
Tsy tiana hiherika nefa antsoina
O! afon'ampombo tsy hita fifoha!

Hitsonika ihany ny bika aman'endrika
Rehefa tanehan'ny andro sy taona,
Ny fahatsiarovako anao tsy ho rendrika
Ry ilay notiaviko indray lohataona!


28-01-64
--------
Rohy:
11882 17
Hevitra mandeha
bichette ( 06/09/2004 07:15)
Ray any an-danitra o ! tsy misy zavatra izay tsy hainao.... na dia ny tendrombohitra aza hainao afindra, ny maty hainao harenina...; ny fahatsiarovana hainao tsaboina....
Faingana Ray o ! amen !
booboo ( 02/12/2004 15:01)
fa maninona no ho tsaboina ny fahatsiarovana ?
crrlanto ( 02/12/2004 18:10)
fahatsiarovana tsy maty,
fa mibonoka ao anaty
na hafaliana na toloko
dia tsapa fa misoko
misy ireo minia tsy ahatadidy
saigy tsy afaka mifidy
satria ny tsiaro ,raha mbola velon,aina
dia tsy ho afaka tsy akory sombinaina
toetra ( 02/12/2004 19:11)
TSIARO

Raha tsy maty
Ao anaty
Ny jaly
Omaly;
Raha tadidy
Ny mangidy
Mahamay
Nahafay :
Dia ho diso
Ny ampitso.
Hiahotra,
Hatahotra
Ny tena,
Ary hihena
Ihany koa
Ny risi-po.

Aoka aloha,
Izao moa
Hoy ianao
No aza atao :
"Ny mitoetra
Manjoretra
Manirery
Sy miery
Ao an-davaka
Voaravaka
Tsiaro
Mifangaro
Sy takila
Efa dila".

Raha toa
Moa
Tsy vita
Izay hita
Fa tokony
Ho lokon'
Ny safidy
Lafo vidy,
Dia fantaro
Fa ny tsiaro
No poizina
Tsy ampoizina
Hamoha
Ihany koa
Ny fery
Efa niery :
Io no ankaso
Tsy hita maso.

Misy avo
Nefa lavo;
Misy iva
Saingy hadiva
Hiarin-doha
Hifoha.

Omaly ianao
Zaza vao
Ary injay
Fa hahay.
Ary izao
Ianao
Manoloana
Fotoana
Fisedràna
Dia hahavita :

... TAFITA !

Toetra RAJA, 1995
njivo ( 16/12/2004 13:27)
sambatra ianao izay mahay manadino
ny zavatra misy navalin'ny taona
sambatra ianao f'efa tonga tsy mino
ny zavatra misy ary dia afa-tsaona
razafimikea ( 26/05/2017 18:32)
tiako b io
Dina Malala ( 25/03/2022 21:09)
Tamin'ny afo nirehitra, ny fitia niredareda,
Nofafazan'ny erika sy tadio
Nahoana no faty na koa ho rendrika
Na ho voafafa madiodio

Tsia ! Tsy maty fa matory ihany
Tsy tapitra hatreo ny fahatsiarovana
Izao no tsarovy ra mbola eto an-tany
Mitsiry ny hahitra rehefa kotsan'ny orana

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 04/09/2004 23:17
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164