Tsy misy (Rado)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na misy aza sedra tsy maintsy setraiko
Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako
Mainka hijoro ny fo sy ny saiko
Tsy maintsy mitohy ny kalom-balihako.

Na inona ronjon'ireo herisetra
Masiaka fifioka manao sesilany
Iaretako ireny satria manam-petra
Fa rivo-mandalo miserana ihany.

Izao no finoako ato anatiko ato
Na mbola mijaly aza aho ka misaona :
Tsy misy havandra hijanon-ko vato
Tsy misy ririnina mandavan-taona.

10 septambra 1993
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
17465 24
Hevitra mandeha
kinaoly ( 25/12/2003 01:02)
mitombona sy zava-dehibe ny fotokevitr'io tononkalo io : na mianjera aza tsy maintsy miharina satria aorian'ny orana dia tsy maintsy misy masoandro mihiratra.aza kivy
mitsoa ( 01/04/2013 07:10)
tsy haiko intsony zay ambara fa mapitraka ahy
telomahery ( 19/06/2016 20:28)
marina be!
rfanomezantoky ( 24/09/2019 08:46)
Mbola misy antenaina hoy i Poopy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : rajaona
Daty : 13/11/2003 19:34
Antsantononkalo
Nantsain'i jantina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0152