You are here: home > Vetso

BOLOKY - Rado

                                    BOLOKY
Ianareo no Antenimiera handany ny hevitra harosoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Hisy omeko anareo an’izay anjara mofoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Dia hampandrosoinareo izay mba hevitry ny Antokoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Na ny lainga be ataoko n any fitaka sy hosoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Afeno ihany, koa anefa izato loto sy tsikoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Ampiasaiko koa ‘nareo hanohana ny adim-pokoko
Dia namaly ireo Boloky:”Mahafaly izany tompoko!”
Izaho, anefa, mody miala f’ianareo no tena hatsofoko.
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Dia azoko ny tokiko
Fa mahay ireo Bolokiko
Ho famaranako an’izany
Izaho mbola nanontany
Ary izaho raha sendra maty ka halevina ny nofoko?
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Aza mba matokitoky
Izay fanaikin’ny boloky

     RADO
    19/08/91 Voninkazo adaladala p, 33

Sokajy : Ahiahy, Tanindrazana

Hevitra mandeha

ketta (13/10/2010 08:23:21)

Enga anie ka izay antenimiera hipetraka eo; na loholona na solombavambahoaka, na ny Mandra-paha (CST) mba hiala @ io fahazaran-dratsy io
Faniriana ihany angamba ny ahy, ary mety nofinofy mihintsy.

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : ketta
Daty : 13/10/2010
Mpamangy : 9871
Mankafy : 4

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA