You are here: home > Vetso

Tsy hampaninona - Rado

Ny efa zatra hazavana no mijaly an-trano-maizina
Ny efa zatra mitaraina no mahantra raha mangina
Ny mpitolona kanosa no matahotra ho faizina
Ary fo tsy mbola tia ny mandositra ny tiana

Fa tsy hampaninona ny jamba ny hamakivaky alina
Tsy hampaninona ny moana ny hampangina izay tadiaviny
Tsy hampaninona ny sahy ny poa-basy an'alin'alina
Tsy hampaninona ny fo ny maty ho an'izay notiaviny

Sokajy : Ady, Fampaherezana

Hevitra mandeha

Skual.R (18/07/2013 18:33:23)

Mampiaiky ny tononkalon'ny henjana e!

jahsnah (10/08/2013 08:50:53)

mafnartr be ry reto a

EugenelR (25/10/2013 04:33:44)

Fa angaha moa 'za ra oe tia dia tsy maintsy hiari-pery?
Moa tsy azoko atao ny mamoy, mitady hafa?
Kanefa to tokoa izany, sarobidy na dia kely;
Ikelezako aina ny ahy, fa efa zava-nokinasa.

pindr (28/09/2014 13:01:06)

mafinaritra be. mankasitraka e

itiavina (26/04/2015 12:19:12)

Mlay rado a!

tsantaniaina15 (08/05/2015 13:36:36)

Kanto lotra...

tsouaiina (24/04/2016 17:09:16)

ts mampanínona ny fo ny maty@ zay tiaviny. ts rats le fantsy a

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : matsi
Daty : 27/04/2012
Mpamangy : 24413
Mankafy : 16

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA