Fitia mamerovero (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifampanantena izahay roa
Fa hifankatia sy hifanisy soa
Hiara-dalàna hifampitantàna
Ka tsy hifanary amin'izay ho sakana

Nandeha ny andro nandeha ny volana
Tsy nilaozan'ady ka nisedra olana
Nifandefitra sy nifampiresaka hatrany
Mba hiarovana ny fifankatiavana tsy ho lany

Tojo tamin'ilay niriana izahay
Tokantrano soa sy dimby fara maminay
Fifaliana no nameno ny andronay
Firaisankina no hery tanjakay

Hafatra ho antsika mpamaky
Mifankatiava fa aza manao valy faty
Fanentren-tena, fifandeferana ary firaisankina
No ahitana fahasambarana sy tojo izay irina
--------
Rohy:
1380 1
Mpakafy: Diaryh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 24/08/2016 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144