Voadona (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voadona..

Vonjeo ry zareo fa voadoana tanteraka
Nijabaka tao anaty sedra nandreraka
Jamba ny fo ka nitampin-tsofina
Kay izy ty efa nanam-pofona

Inona no atao, aiza no aleha
Jereo zato izy fa tsy hiveri-mandeha
Ny foko feno ratra no nilaozany teto
Nangiana tanteraka ka vaki sento

Izy no taloha fa za taty aoriana
Nandrevo fa hoe tanteraka ny faniriana
Tonga ihany ny fotoana nandrasana
Kanjo boboka teo foana ilay fitiavana

Tsisy fanenenana na dia kely
Zory ny dia ra madomozely
Mandalo zany ary matoa nitranga
Dia efa izay no lahatra sy anjara
--------
Rohy:
1867 0
Hevitra mandeha
telomahery ( 24/08/2015 19:51)
tsara ny asanao!tena zava-miseho matetika indrindra ny fiainan ny tanora ny toy izany.ny zavatra tokony hatao dia mamakafaka sy mandinika tsara ny zavatra hatao raha tojo anao ilay olana any aoriana.mila mijery ny tsipelinao ianao fa misy diso kely.
napou ( 25/08/2015 06:59)
misaotra fa voaray ny hafatra, mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 18/08/2015 09:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01