Hatraiza (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza ny fanantenana
Amin'ity fiainana malama
Sedra mafy no mianjady
Ka lasa mampirafitra ady

Marary ny saina ny fo amam-panahy
Mihatrika ny adidy feno ahiahy
Hatraiza ny fetra hitantanana
Ahaizana mandrefy ireo fananana

Moa va tsy vetivety monja
Dia ho foana ny somonga
Raiso ny andraikitra ho fanohanana
Ireo zay mihevitra mahay mintantana

Hatraiza hoy aho ny fehim-potoana
Ahafantsika maneho manoloana
Ny fahafana izay zary voageja
Kanefa tandremo fa manam-petra
--------
Rohy:
1181 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 25/08/2015 12:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151