Ilay tiako (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra nandalo tato an-tsaiko
Ilay fitsikinao nambabo ahy
Izay tena niriako sy tsy nankahalaiko
Satria nampiravoravo ahy

Any lavitra any ianao ry Tiana
Maneho ny hamamiana
Ilay fitiavantsika tsy ho lo
Na dia eo aza ny hamafisan-doha

Eny ho aho ry tiako sy mamiko
Mitempo anao hatrany raha ny amiko
Ny halaviran-tany no mampisaraka
Fa ny fon-tsika no tena mahay miaraka

Lavitry ny maso hono akaikin'ny fo
Manamora hatrany ny firaisan-doha
Tiako ka ho koloiko mandrakizay
Mba tsy ho azon'ny fankam-panahy
--------
Rohy:
2394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 25/08/2015 12:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142