Nenina (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENINA
Tamin’ny fotoan’androny ianao tsy te ahalala
Ankehitriny indray ianao te hiantso hoe malala
F’angaha izy ty atao kilalao
No dia tsy mahay miaina ery tahak’izao

Eny tsapako tokoa hoe nanenina ianao
Tsy nandinika lalina fa tonga dia ndao!
Aiza anefa izao no hiafarany
Tsy hiatsampy aty amiko ihany?

Za tsy mandatsa na koa hoe mampifila
Làlana efa nofinidy ny anao ka za tsy mila
Atreho ary zakao hatramin’ny farany
Satria ny anao efa fitia tsy misy làlany
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
1665 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 04/09/2015 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019