NENY (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny tiako fifaliako
Andry hiankinako
Mamy tena mamy
Ny fitiavanao tsy mety lany

Neny ah! Hitahy anao hatrany anie ny Tompo
Homba anao amin’ireo sento sy toloko
Ao ny zanaka tiana mora anarina
Nefa koa zanaka adala tsy mety tafarina

Neny izay Tsy misahatra isan’andro
Ny mikatsaka ny soa sy nahandro
Havaoziko isan’andro ny vavaka ho anao
Ho tafita soa hatrany amin’izay hatao

Ho an’ireo zay efa nilaozan’I Neny
Aza malahelo ny fonareo dia aza be teny
Tsarovy fa na tsy eo ary ny vatany
Manjaka amintsika hatrany ny fitiavany.
--------
Rohy:
1801 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 25/05/2016 12:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154