fiaiabab (RAKOTOMALALA Jean.chris)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iny volana iny toa zary miangatra
fa izao foana
no voatery mitrandraka
tsy akamoana sanatria
na koa hoe tsy fitia
fa fahatsapana fijaliana
ka mahatonga fangirifiriana
fijaliana lalandava no iainako isanadro
efa tsy misokatra ny vava
nefa mbola mijaly ihany
ataiko koa angamba
fa izao no efa jamba
fa raha ny manodidina manotolo
dia fijaliana lalandava
angamba ko izany no atao hoe fiainana
fa izao no mbola matory
sy ny farany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha
hery
(
07/04/2006 06:07)
Inona no tena dikan'ilay lohateny hoe fiaiabab ?
marozevo
(
18/04/2006 18:01)
Tokony ho tsara ny kalonao, saingy amin'ny zavatra toy itony dia mila tandremana tsara ny tsipelin-teny.