You are here: home > Vetso

Tononkalo iray - RAKOTOMALALA Jean.chris

Azo vakiana?

tononkalo iray
no atolotro anao
fa ilay fitia mahamay
tsy mba anadinoko anao

tiako ianao tsy afenina
sanatria mirediredy
tiako ianao no ambarateniko
tiako ianao tsy mba rediko

ianao mantsy
no any masoandro
raha tsy ianao mantsy
malo-kendrika ny andro

ianao ilay nofidiko
ianao no nitiaviko
iano ilay tsy ariko
ianao no ato ambavako

ilay endriko manitona ahy
ny fijerinao mambambo ny fanahy
ny ao anatiko aho
tsy ay ambara fa mampiay

izay ary rahavako
fa tsy akoboko ny vavako
ianao ny tsyariko
fa ianao ilay nofidiako

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha