fiainako feno fajaliana - RAKOTOMALALA Jean.chris
Azo vakiana?
fa nahoana no fijalian-dava
no iainako isanandro
toa zary fahazarana mazava
na amin'ny alina na amin'ny atoandro
mila tsy ho taty
ny fietraikany izany
fa mila ha afaty
izay mampirotsaka tomany
misy aza indrandray
toa zary amoifoho
ka manozona ny Ray
izay ao atampindoha
elako tsiny re ry Ray
ifonako aminao
fa ny fiainana mahamay
avoto aho raha azo atao
tsy izao ihany anefa
no mijaly tahaka izao
fa ao koa ireo manefa
noho ny zavatra tsy natao
velompisaorana sahady aho
afaka niresaka taminao
fa ny ao ampoko ao
esory re raha azo atao
mangataka fanampiana na toroevitra avy amin'areo izay mamaky ity ny tenako .
inty ny solonanarako :
tititi
inty koa ny emailko :
went_gone@yahoo.fr
passe05@hotmail.com
Hevitra mandeha
fiaritiana (22/04/2006 21:09:24)
mitovy ny fanontaniantsika sy ianao!! nahoana no fijalian dava?? ny torohevitro dé ny hoe aza adinonao ny vavaka...izay no zava dehibe indrindra...
Mahereza ry namana fa ho avy ny maraina...
fiaritiana
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Jean.chris
Nampiditra : tititiDaty : 20/04/2006
Mpamangy : 1662
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
tiako ianaoTononkalo iray
tsy nampoiziko
fa nahoana
Andriamanitra
ny fiainako
malahelo anao
fiainana
fiaiabab
fitiavako anao