Adala ve ny tia ? (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Tsy ambarako anao na adala na hendry f’izao no zavatra soratako”

Rehefa lalim-paka
Ka nanomboka nitsimoka
Ary efa vaki-ravina
Tao am-ponao ny fitiavako
Dia nanambara ianao
F’efa nisy tonga alohako
Ary izy no voalohany !

Raha fantatro mialoha
Sy nambaranao tamiko
Fa izany no efa nisy
Dia tsy nomeko tsiny ianao
Fa nadio ny tamin-tsika

Ankehitriny sarotra amiko
Ny hisaina anao indray
Ho toa “ilay namako fahiny”
Ka adala ve aho;
Raha nitia anao toy ireny ?
Moa ny fietsika natao
Tsy midika toy ny “ENY”

Ka tsy haiko aho na adala
Na efa ketrina mihitsy
Tsy mahalala hoe : Tsy tiana
Fa amiko ry Mina (Nambinina)
Izy no talohako
Ary; hafa ihany “ilay voalohany”
Fa mba saino ihany koa
Hoe :
Nisy faharoa
Nitia anao tanteraka
Nihoatra ny fitiavany;
(Dia ho sanatria ve hidify anao ny tavany)

Angamba adala aho
Nefa ambarako ny marina
Fa adala noho “Ianao”

R.JO (15/06/04)
--------
Rohy:
1951 9
Hevitra mandeha
NyKanto ( 17/06/2004 06:53)
RJO,
Adala ve raha mitohy minia-mitia na dia efa hita izao aza fa nianjera an-tany karankaina ilay fitia izay nafafy ... tsy fahadalana izany amiko ... fa fanantenana ! ... toy ny tantsaha miandrandra orana aorian'ny hain-tany dia tohizo hatrany ny fikolokoloana ny fitiavanao fa inoako hamaka lalina sy mbola hitsimoka izany atsy ho atsy.

Misy setrin'io sanganasanao io omaniko izao.
Ny Kanto.
NyKanto ( 17/06/2004 07:12)
"Sarotra" ho setrin'ny fanontanianao hoe adala ve ny tia ?
Ny Kanto.
hendry ( 06/07/2004 15:58)
Fa ngah kosa tsy nanadihady am-boalohany fa tonga dia niroboka ka efa lalim-paka vao velom-panontanina?
Malalason ( 07/07/2004 11:07)
efa nanadihady mihitsy fa tratran'ny tampoka tsy nahalehilahy e andramo dia ho tsapanao ho ho ho
Ketsa ( 09/07/2004 11:20)
Nisy haingampanahy kely va tonga t@atoandro teo mitondra ny lohateny hoe"setrin'ilay tonokalo adalave ny tia sy sarotra" vao no sor
Ketsa ( 09/07/2004 11:21)
Manondrana lava koa ity fa lasa tapaka indray ilay soratra teo anoloana. Hialantsiny e!
est ( 15/07/2004 17:12)
Tsara dia tsara ilay tononkalon-drangahy.Tsy hadisoana ny mitia ry tsamy fa tssarovy kosa fa lehilahy ny tena ka tsy ho very anjara na oviana na oviana.Okay !
De mbô atôvy misimisy ny tononkalonareo rehetra fa manome "inspiraka" milay be .
misaotra
yonikafopl ( 30/08/2004 16:36)
Amiko ry malalason dia fahafinaretana ho ahy ny mitia eny fa na dia odiana tsy hita sy tsy fantatra akory aza izany fitiavako izany. Ka hoy aho hoe tsy adala akory ianao,
Malalason ( 10/10/2004 12:36)
Hanana fisainana toa anao daholo anie ny olon-tiana rehetra

R. JO
aladin ( 31/10/2004 19:19)
tsy adala ny tia fa somary misy voa kely (mitapy) fotsiny izay no tena fahitako azy !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147