Adidiko (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADIDIKO

Aoka itsy ho tantanako
Izatsy tananao rahavako
Fa saro-dalana ny "dia"
Tena mafy tsy malia

Hamafiso izany hetra
Ary aoka tsy hanjoretra
Fa tsy isika irery akory
No miaina tsy matory

Etsy ianao ho sakambiniko
Ny vatanao mba ho fihiniko
Hiondany izany tratrako
F'efa tony izao ny ratrako

Raiso mba ho tokin'aina
'Lay tia anao ry Sombinaina
Fa tsy sanatria anie
Raha resy ianao d'izaho handeha

"Tsia" no valiny rahavako
Na dia tsy ampy izay notoazako
F'ianao "ilay efa nofinidiko"
Dia hitoetra ho "adidiko"

Misoratra ao anatiko ao
Ilay endri-mahakanto anao
Ka ny toetra amam-panahy
Hokoloiko ho fananana ho ahy

Malalason (R.JO) 06/08/05
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1211 5
Hevitra mandeha
zakilinina ( 11/08/2005 21:39)
Mba asio teboka sy faingo re ry Malalason fa tsy azoko mihitsy.
Malalason ( 12/08/2005 10:56)
tonga dia mba asio an'eritreritra moa fa adinoko e! hitanao ihany fa manota vary aza misy latsaka kony an! misaotra mialoha
rantia ( 12/08/2005 12:40)
mahafinritra fa tohizo malalason a! dia aza mijanona raha tsy mahafeno boky hi hihihi
proost ( 13/08/2005 10:22)
misaotra betsaka ianao no hitako fa tena manana talenta
mbitaniavo ( 19/06/2006 11:09)
izaho letsy tompoko dia an'isan'ny mankafy io tonokalo io
rabozaka ( 20/11/2006 18:44)
tsara ny hevitra fa mba hasongadino ilay hevitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105