AIZA NO ALEHA? (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ho izay tokoa ve
Ny amintsika roa
Izay ve no lahatra?
Tsy mety mino aho
Fa tsy ahita intsony anao

Tomany aho satria
Malahelo mafy
Rakotr’aizina ny masoko
Manjombon-dava ny ao am-poko
Oram-baratra ny fiainako

Noho ny alahelo anao
Dia tondra-drano izao ny tavako
Hila, tsy ahasokatra ny vavako
Toa aleoko tsy miaina
Raha tsy eo anilanao

‘Mby ho aiza moa ‘ty ‘zaho?
Eo am-pamoizam-po ve ?
Sa ho eo am-pamoizan’aina ?
Resy aho ka mitaraina

Iza nefa no handre
Ity sentoko mangina
Iza no hanafaka
Ity hazo fijaliana
Ka hamerina indray
Ny lohataonan’ny fiainako ...

Malalason
17/07/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1272 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151